Nifamotoana tetsy Antanimbarinandriana
ireo mpianatra niofana ho mpitsabo mpanampy na Paramédicaux nivoaka teo anivon'ny IFIRP (Institut de Formation InterRégional des Paramédicaux). Mitaky ny fandraisana faobe, ary tsy mitaky fotsiny fa efa manolo-kevitra raha vonona hifanatona ny Minisitera, hoy izy ireo. Nilaza i Michael Andrianarimanitra Président des paramédicaux sortants IFIRP de Madagascar-LMD, fa misy ny fanekena na "engagement" 10 taona mba tsy hialan'izy ireo hanao zavatra hafa satria avy amin'ny Fanjakana, ary raisina ho mpiasam-panjakana. Ny olana anefa mivoaka ny mpianatra kanefa tsy mbola voaray, misy efa 5 taona tsy voaray, ny taona 2020 no nisy fandraisana farany. 10% amin'ny fangatahana no nivaly raha misy, hoy izy. Fandraisana faobe no takiana ho an'ireo mivoaka amin'ny IFIRP ary tsy mangataka zavatra be dia be izahay fa izay vita, hoy izy ireo. Eo amin'ny 500 eo moa ny fandraisana olona ho an'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka manontolo isan-taona, raha 1000 isan-taona eo no mandeha misotro ronono raha ny filazan'izy ireo. Ny dokotera dia misy 300 isan-taona, ny IFIRP 400 mahery isan-taona ka 1400 eo ny tsy an'asa. Ny ivon-toeram-panofanana tsy miankina etsy andaniny mahatratra 118, izay lasa mamokatra olona tsy an'asa. Efa 25000 ireo milatsaka an-tsitrapo tsy an'asa avy amin'ny tsy miankina, ankoatra ny IFIRP. Andeha ho aiza ireo mpianatra? Ny fampianarana paramed izany mitobaka fa ny asa tsy misy, ireo avoakan'ny IFIRP aza tsy voaray mainka fa ireo tsy miankina ka sao ireo sekoly ihany koa no tokony handinika ? Niazo ny Minisiteran'ny fahasalamana nanamafy ny fangatahana moa ireo mpianatra omaly. Nilaza hampihenana ny mpilatsaka an-tsitrapo any amin'ny CHU, CSB I, CSB II,.. izy ireo.
NAHOANA NO AO ANATY TETEZAMITA MIHITSY VE NO MITAKY SY MANERY?
Tany aloha izay mitaky miditra « gagazo » izay sahy mijoro, fa izao efa fanovana, tsy voatery ato anaty tetezamita, fa amin'izao no malalaka, azonay tsara hoe mitontona any amin'ny tompon'andraikitra ny zavatra rehetra. Manantena ny hivaliany ao anatin'izao saingy afaka manaraka sy mahandry ny dingana rehetra izahay mba ho raisina an-tanana, ka raha vita ny tetezamita kanefa mbola tsy milamina dia mba tokony hipetraka tsara mba horaisin'izay mpitondra manaraka, hoy ny valinten'ireo mpianatra nivoaka teo anivon'ny IFIRP.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.