Fahasalamana

Sekoly ambony Uprim Hiatrika ny fankalazana ny fahafolo taonany


  • Zoma 07 Jolay 2017

Mankalaza ny fahafolo taona niorenany ny sekoly ambony UPRIM manana ny foiben-toerany etsy Andavamamba.

Fiaraha-misakafo  arahina dihy no hanamarihana izany rahampitso sabotsy 8 jolay eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Rakotovaoarison Nadia dia  efa vonona tanteraka amin’ny  fiatrehana izany izy ireo. Olona manodidina ny 3.000 isa no nasaina ahitana olomanan-kaja maro, mpampianatra, mpianatra, hotronin’ireo maintimolalin’ny sekoly. Ny tarika Njakatiana no hanafana ny lanonana ary Ikalavazo no hampifaly ny ao amin’ny toerana natokana ho an’ny manampahefana. Arahin’ny kilalao an-kitsapaka mety hahazoana loka maro izany toy ny solosaina entin-tanana, ny solosaina fanao ao amin’ny birao, ny tablette, ny finday, hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sekoly toy ny vondrona Telma sy ny Microcred. Aorian’io dia hifantoka tanteraka amin’ny fandraisana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea indray ny UPRIM  amin’ny alalan’ireo lalam-piofanana efatra misy ao aminy dia ny paramédicaux, ny droit, ny communication et marketing sy ny gestion et management. Nisy ny famerenana farany nataon’ireo mpianatra mikasika ny hetsika hotanterahin’izy ireo rahampitso  omaly.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT