Fahasalamana

Sehatry ny fitsaboana Mandalo krizy ihany koa


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Latsaka anaty fahasahiranana lalina ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny. Tsy misy sehatra izay tsy tratry ny krizy intsony raha araka ny fanazavan’Atoa Rija Mandimbison,

tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana hatramin’ny niakaran’ny vidin-tsolika no mankaty. Ho an’ny sehatry ny fitsaboana amin’ny fomba natoraly izay misy azy manokana dia nambarany fa tena mivoaka sempotra tokoa. Mafy noho ny krizy tamin’ny fahatongavan’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika hoy izy ny krizy iainan’ny vahoaka Malagasy amin’izao na dia nisy fihibohana aza tamin’izany. Tamin’izany hoy izy mba nisy asa nandeha ihany fa izao kosa tena tsy misy intsony mihitsy. Ho azy manokana ohatra dia mahatratra 30% isan-kerinandro eo ho eo ireo olona marary tonga mitsabo tena ao aminy mitaraina fa sahirana. Raha misy fanafody miisa 3 tsy maintsy vidian’ny olona iray hoy izy dia iray ihany no hangatahin’ilay marary hovidiana fa miandry avokoa ny 2 ambiny. Eo an-danin’izay anefa hoy izy dia mbola ahena ihany koa ny vidin’ilay fanafody no sady aloha tsikelikely ny vola aloha ho an’ireo manao fitsaboan-tena maharitra. Tena sahirana ny vahoaka Malagasy hoy hatrany Atoa Rija Mandimbison ka na ny fitsaboan-tena aza efa tsy ao anatin’ny programam-bolan’ny isan-tokantrano intsony.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT