Fahasalamana

Sehatry ny fahasalamana Tsy ny trano no mahasitrana fa ny politikam-pitsaboana matotra


  • Alatsinainy 14 Febroary 2022

Maro hatrany ny olona lasibatry ny valanaretina toa ny aretin-kibo, tazo rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra sy y rivodoza tahaka izao.

Izay no mahatonga ny ministeran’ny fahasalamana mihetsika amin’ny alalan’ilay fitsaboana manakaiky vahoaka ; mandeha ny fizaham-pahasalamana sy ny fizarana fanafody, ka atao laharampahamehana ireo toerana sy faritra tena misy ireo traboina sahirana, eo ihany koa ny toerana nandraisana azy ireo. Satrinay mba mitoetra sy maharitra ny hetsika tahaka izao, hoy ny hetahetan’ireo vahoaka nozahana; voarain’ny tompon’andraikitra tsara angamba fa tsy hetsika maimaika amina vanim-potoana voafetra ihany no andrasan’ny vahoaka fa zavatra maharitra.Raha misy dia misy ny 5% n’ny Malagasy no mahavita manao fizaham-pahasalamana ara-dalàna, izany hoe na tsy marary aza dia mitsirika ny vata-tena sy ny fahasalamana, manao “bilan” ohatra na maka ny hevitry ny mpitsabo ny amin’ny tokony hatao mba hitandroana ny fahasalamana.Ny maro an’isa ambin’io, izany hoe ny 95% dia rehefa tena mahatsapa marary afy syy mangirifiry ihany vao manatona toeram-pitsaboana to any CSB , dispensera, kilinika sy hopitaly.Ary mbola olana goavana indray aza avy eo rehefa manoratra sy milaza ireo fanadofy tsy maintsy hovidiana ny dokotera.Tsy ampy tsinona ny vola; tsy manana tahiry alefa any amin’ny fitsaboana raha sanatria marary ny ankamaroan’ny Malagasy. Mila ezaka tena faran’izay goavana noho izany ny sehatry ny fitsaboana eto Madagasikara, tsy ny fahavitana fotodrafitrasa CSB na hopitaly ambara fa manara-penitra loatra no inona, fa ny fananana politikan’ny fahasalamana sy fiahiana ara-tsosialy matotra sy tsy miangatra.Vita ny trano dia izay avy no hiasa ao dokotera, mpitsabo mpanampy, mpitsabo mpandidy, misahana ny lafinny ara-taratasy, faramasianina…ahoana ny tahirina fanafody ? Ny tsapa mantsy dia toa tompon’andraikitra tsy mahatapak’ahitra ihany no hita any amin’ny faritra sy ny kaominina, ary miandry baiko sy tetibola ary fitaovana foana.Raha olona mila fitsaboana haingana dia maty ho azy eo am-piandrasana ny valiteny.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT