Mampalailay fonosana ny mpamatsy vola ny fisiana kolikoly tamin’ny sehatra vaksiny izay nampisaringotra tompon’andraikitra maro tamin’ny taon-dasa.
Ohatra tamin’izany ny vata fampangatsiahana nitondrana ny vaksiny izay hafa ny vidiny an-tsoratra nambara tamin’ny mpamatsy vola. Teo ihany koa ny isana vaksiny izay sady tsy mitombina nefa dia nahazoana vola be tamin’ny fisian’ny aretina Pesta teto Madagasikara. Izany rehetra izany no antom-pisian’ny fiaraha-miasa amin’ny CCM (Country Coordinating Mechanism) eto Madagasikara, izay mitantana ny famatsiam-bola amin’ny ady amin’ny aretina SIDA, ny raboka ary ny tazomoka sy ny TI-IM (Transparency International-Initiative Madagascar). Nisy ny atrikasa notanterahina omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena teo aloha Anosy. Ny ho fisorohana ny kolikoly sy ny hosoka mety hitranga amin’ny fitantanam-bola no votoatin’ny famelabelarana natao. Mahatratra hatrany amin’ny 76 685 000 dolara mantsy ny famatsiam-bola maimaimpoana azon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ireo aretina ireo. Araka izany dia ny CCM izay tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ny vola no niantso mihitsy ny TIIM mba hisian’ny fangaraharana sy hitsirihana ny risikana kolikoly sy hosoka mety hitranga. Nampahafantarina ny mpikambana tao ireo karazana kolikoly sy hosoka mety hisy miaraka amin’ny fisorohana azo atao mialoha. Zava-dehibe ny atrikasa tahaka izao satria raha mbola misy indray ny fanodinkodinam-bola eo anivon’ny sehatra fahasalamana dia mety ho leom-boananana ny mpamatsy vola ary tsy hahazo fanampiana intsony i Madagasikara. Efa nisy ny fanodinkodinam-bola teo aloha ary rariny raha maka lesona.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.