Fahasalamana

Sehatra ara-pahasalamana Tsy maharaka ny fitombon’ny mponina ny fivoarany


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely PANORAMA Andrainarivo omaly ny mahakasika ny fanadihadiana momba ny fitombon’ny mponina sy ny fahasalamana (EDSMD) eto Madagasikara.

 

 

Mifanindry an-dalana ary tsy azo sarahana  ny fampiroboroboana ny sehatra ara-pahasalamana sy ny fitombon’ny vahoaka Malagasy. Efa fanin-diminy amin’ny fanadihadiana natao eto amin’ny firenena Malagasy io hatramin’ny taona 2008. Amin’ity taona ity kosa dia handrakotra ny faritra 22 izany ary hanaovana fanadihadiana amina tokantrano miisa 21000. Hanontaniana amin’ity fanadihadiana EDSMD ity ny mahakasika ny fananana anaka sy ny fandrindram-piterahana. Eo ihany koa ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ireo aretina tahaka ny tazomoka, ny tsimokaretina VIH-SIDA hatramin’ireo aretina mpahazo ny tanora noho ny firaisana ara-nofo tsy voaaro. Tompon’antoka amin’ity fanadihadiana ity ny INSTAT ary vatsian’ny sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID)  vola izany miaraka amin’ny tahirin’ny firenena Mikambana momba ny mponina (FNUAP) sy ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF).

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT