SARAN'NY FIZAHANA MASO

Efa mahatratra 20.000 Ar ny olona iray


  • Talata 19 Aogositra 2025

Efa mahatratra 20.000 Ar amin'izao raha kely ny mizaha maso

eny anivon'ireo ivon-toerana tsy miankina voatokana ho amin'izany ho an'ny olona iray. Misy efa tafakatra 40.000 Ar aza ny an'ny sasany miankina amin'ny kalitaon'ireo fitaovana hampiasainy. Maro ireo Ray aman-dReny no tsy manana fahafahana amin'izany indrindra fa ireo manan-janaka efa manao solomaso. Mbola ny fitadiavam-bola hividianana fitaovam-pianarana aloha no tena mahamaika ny maro raha toraka izany ny hanin-kohanina isan'andro. Anisan'ny antony nanaovan'ny hopitaly CHU HJRA hetsika fizahana maso maimaim-poana izany omaly Alatsinainy 18 Aogositra. Nahazo tombontsoa manokana tamin'izany ireo ankizy latsaky ny 15 taona rehetra, hetsika fitsinjovana niarahana tamin'ny CBM Global Disability Inclusion Madagascar sy ny Tetikasa Mahita - Paediatric Ophthalmology & Training Project. Am-polony ireo nisitraka izany saingy mbola betsaka koa ireo tara. Hetahetan'ireto farany araka izany ny hitohizan'ny hetsika. Tsiahivina moa fa mihamaro ireo ankizy lasa marary maso amin'izao vokatry ny fampiasana sy filalaovana finday diso tafahoatra. Toraka izany koa ny fijerena vata fahitalavitra maharitra indrindra fa amin'izao vakansy lehibe izao.
Pati
Légende : Efa tena lafo ny mijery maso amin'izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT