Raha otratr’izao foana ny fomba fiasan’ny governemanta, dia mety izahay ao amin’ny PLD (Parti Liberal Democrate) mihitsy no hitantana ny vahoaka hametraka ny fangataham-pialan’io governemanta io,
voaray ao anatin’izany ny praiminisitra. Izao ve no atao hoe “gouverenement de combat” ? Tsy fandriampahalemana, tsy pesta, tsy ady amin’ny kolikoly, ka tsy hita izay lohany sy vodiny, hoy i Sarah Rabearisoa. Ao anatiny ihany koa ny minisitry fahasalamana satria misy aina afoy eto, kanefa tsy menatra akory izy miteny fa efa midina ny “courbe”. Ny tahan’ny anefa fahafatesana mitombo ihany, ka filalaovana aim-bahoaka daholo izao, hoy hatrany izy. Ny tsy fandriampahalemana tsy resahina intsony satria efa mihoatra noho ny matin’ny ady any Soudan ny matin’ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara. Misy famonoana an-kolaka ny vahoaka mihitsy ilay izy, ary ity governemata ity, dia tena jerenay akaiky mihitsy ny atao hoe fanajana ny zon’olombelona. Eo ihany koa ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka. Ahoana moa no hitenenany fa tsy gravy loatra ny pesta nefa ain’olona izao no maty ? Mikasika ny fampianarana, dia miombon-kevitra tanteraka amin’ny mpianatra sy ny raiamandreny ao amin’ny katolika hoe ahoana moa no hamelanao hoe mamoaka didy tsy mahazo mivorivory kanefa misy ny mahazo manao izany ? Androany ianao miaraka amin’ny diaspora, fa ny mpianatra tsy havelanao mianatra. Tsy mitombina ao anatin’ny fitantanana izany, hoy i Sarah Rabearisoa.
MIADY AN-TRANO
Isika ao anatin’ny ady amin’ny pesta, dia tokony hazava ny lamina hanoherana io aretina io, saingy izy samy izy samy minisitra ao anaty goverenamanta aza tsy mifankahazo dia isika no antsoina hoe tompon’andraikitra avokoa ny rehetra. Milaza fa “gouvernement de combat” kanefa miady amin’ny voalavo sy ny pesta aza tsy vita, hoy izy. Izany no antony hitakianay ny fametraham-pialan’ny minisitry ny fahasalamana, ohatran’ny zavatra rehetra izay tsy hay sy tsy vita, ary nisy aina nafoy. Ahodinkodina ny saim-bahoaka hoe alefa kely ny ady amin’ny kolikoly, alefa kely ny ady amin’ny pesta, alefa kely ny fitsapankevi-bahoaka, dia tapitra ihany ny fotoana. Ny 25 janoary 2019 dia tsy i Hery Rajaonarimampianina intsony no filoha, raha tsy hoe izy indray no lany, hoy Rabearisoa Sarah. Rehefa hiady amin’ny pesta dia ataovy mazava tsara fa aza asiana kilalao ohatran’io, fa ny ain’ny vahoaka no manaraka. Rehefa tsy mahavita azy dia mila mametra-pialana fa efa nisy hadalana mihoapampana, ary nisy aim-bahoaka nafoy, hoy i Sarah Rabearisoa namarana ny teniny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.