Fahasalamana

Saosisy karakaraina eny Ikopa Mety hitarika amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo


  • Alarobia 23 Aogositra 2017

Tranga iray tsy zoviana amintsika intsony ny fanasana tsinain’omby hanaovana saosisy eny amin’ny ranon’Ikopa mandalo eny ambany tetezan’Anosizato sy Ampasika iny.

 

 Saika isan’andro no  ahitana izany tranga izany eny an-toerana noho ny fisian’ireo toeram-pamonoan’omby eny amin’ireo faritra roa ireo. Tena zava-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka  anefa ny fanaovana izany. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina mantsy dia rano tsy madio ny rano mandeha. Mety hanasan’ny olona tongotra izany, hanasany lamba, hidiovany, raha misy amin’ireo trano fivoahana eny amin’ireo faritra ireo ihany koa no mivarina anaty rano ny malotony. Midika izany fa betsaka ny aretina mety hoentiny  manomboka amin’ny aretin-kibo,  izay  mety hiafara amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo mihitsy sy ny aretina hafa. Nomarihin’ity dokotera iray ity moa fa tokony hisy hatrany rano madio  azo antoka entina hikarakarana ny sakafo ao an-tokantrano mialoha ny hahandrona azy. Mikasika ilay feo mandeha fa matin’ny hafanana 180 °C ny mikraoba amin’ny sakafo ka tsy misy  atahorana dia nomarihin’ny dokotera Fidy Bariniaina fa mety tsy ho masaka tsara ny  sakafo indraindray noho izany tokony hohajaina hatrany ny fahadiovany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT