Fahasalamana

SAMPANA VONJY TAITRA BEFELATANANA Tsy afaka mandray marary mandritra ny herinandro


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tsy afaka mandray marary ny sampana vonjy taitra etsy amin’ny hopitaly Befelatanana nanomboka omaly alakamisy.

 

Ho fanohizana ny asa fanamboarana ny fotodrafitrasa vao notsidihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady ny herinandro teo no antony, haharitra herinandro. Mety tsy ho zakan’ireo marary raha ny fanazavan’ny profesora Mamy Randria, lehiben’ity hopitalim-panjakana iray ity ny vovoka sy ny fofon-doko ao amin’ity sampana vonjy taitra io ka aleo tonga dia aato mihitsy ny fampiasana azy. Nambarany fa misy ihany ny toerana handraisana ireo marary tsy maintsy raisin’izy ireo an-tanana raha misy. Alefan’izy ireo eny amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka ny ambiny na koa eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ity farany izay marihina fa hanaovana asa fanitarana ihany koa amin’izao fotoana. Efa nisinisy ihany ireo marary voatery nalefa tany amin’ireto hopitaly ireo hatramin’ny omaly. Mikasika ny fampiasana ireo fitaovana vaovao hitsaboana ny aretin’ny homamiadana hapetraka ao amin’ny HJRA sy Befelatanana dia fantatra fa amin’ny faran’ny taona avokoa izy ireo vao tena hiasa tanteraka miaraka amin’ny fotodrafitrasa vaovao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT