SAMBO HOPITALY MERCY SHIPS

Niverina ao Toamasina, handray an-tanana marary 1000 isa


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Niverina ao Toamasina ilay sambo hopitaly Mercy Ships rehefa nisintaka kely

nanomboka ny 13 Desambra taona 2024 natao fitsirihana ara-teknika tatsy Afrika Atsimo. Izy ity dia ilay sambo izay manatanteraka asa sosialy eo amin'ny lafin'ny fitsaboana sy fandidiana maimaim-poana aretina maro. Tamin'ny taona 2014 no natao ny fifanaovan-tsonian’ny fifanarahana voalohany teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Mercy Ships, ary tamin'ny taona 2018 no nosoniavina ny tovan'izany fifanarahana izany, ary havaozina indray. Tamin’ny febroary 2024 no nahatongavan'ny sambo hopitaly ao Toamasina. Iraka fahaefatra ity tonga eto Madagasikara ity, taorian'ny iraka tamin'ny 1996, 2015 ary 2016. Nahavita fandidiana maherin'ny. 6 400 sy fandidiana nify efa ho 53 000 ireo iraka ireo. Nitsidika tao ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny diany tao Toamasina ny 15 jona taona 2024. Amin'ity taona ity, ny Mercy Ships dia mikasa hanome tolotra fitsaboana mivantana ho ana marary maherin'ny 1000.
Pati
Legende : Tonga eto amintsika indray ilay sambo hopitaly Mercy Ships !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT