SAMBO HOPITALY MERCY SHIPS

Handao an’i Madagasikara amin’ny taona vaovao


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Handao antsika eto Madagasikara ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Amin’ny volana Janoary taona 2025

ho avy izao izy no hiala ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao aminy. Raha araka ny fanadihadiana natao dia volana Febroary taona 2023 no tonga voalohany teto amintsika ity sambo hopitaly Mercy Ships ity. Mihoatra ny 1000 isa ireo olona marary efa nahazo tombontsoa taminy ka misy ireo nahazo fandidiana maimaim-poana ankoatra ireo nahazo fitsaboana ankapobeny. Vokatry ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no angady nananana sy vy nahitana izany niarahany tamin’ireo mpitsabo vahiny marobe nitety ny Faritra 23. Tamin’ny taona 1978 moa ity sambo hopitaly ity no niforona tany Suisse raha tsiahivina.
Pati
Legende : Nahavita nitsabo olona mivonto tarehy tratry ny tsy fahasalamana tahaka izao ny sambo hopitaly Mercy Ships !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT