Sambo hopitaly Mercy Ships

Efa nahavita fandidiana maimaimpoana miisa 6500


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Noho ny fahalafosan’ny saran’ny fandidiana no nahatonga ny Mercy Ships

tonga eto ka manome fanofanana ny mpitsabo mpandidy sy ireo mpiasan’ny fahasalamana Malagasy ary manatanteraka fandidiana maimaimpoana hoy ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ity sambo ity ny faran’ny herinandro teo. Manazava sy manamafy ny Mercy Ships, manoloana ny resaka ambadika etsy sy eroa fa miara-miasa amin’ny governemanta malagasy, indrindra fa ny ministeran’ny fahasalama-bahoaka izy ireo ho an’ny tombotsoa ambonin’ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy. Ny volana febroary moa no tonga eto indray, tao Toamasina ary manana eritreritra hanohy ny fitsaboana sy fampihofanana hatramin’ny herintaona ity sambo hopitaly ity. Tafiditra ao anatin’ny asa fandidiana atao ny fanamboarana ny tarehy tratry ny fibontsonana, ny fahasembanana, ny fanarenana ireo faritra may amin’ny vatana, satria manao ny antsoina hoe « chirurgie plastique » sy « chirurgie reconstructrice » ny Mercy Ships. Izany no natao dia ho famerenana ny hasin’ny maha olona ho an’ireo izay tratry ny fahasembanana ka mety manana olana any anay fiarahamonina sy amin’ny fiainany andavanandro. Raha ny fandaharam-potoana dia mbola ho handalo eto Antananarivo, Brickaville, Vavatenina, Amparafaravola, Miarinarivo, Betsiboka, Ambilobe, Antsohihy, Morafenobe, Ihosy, Manakara ny Mercy Ships miaraka amin’ny ekipany.Nahatratra 6500 ny fandidiana maimaimpoana vita teto ny taona 1996 ka hatramin’ny 2023 raha toa ka mpiasan’ny fahasalamana malagasy miisa 2109 no nahazo fanofanana sy fampianarana.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT