Fahasalamana

Sakana ara-pahasalamana Somary nalefahana ny fepetra eny Ampitatafika


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Efa tsikaritra ho malaladalaka avokoa ny ankamaroan’ireo sakana ara-pahasalamana eto amintsika amin’izao na dia tsy mitsaha-miakatra aza ny isan’ireo olona marary tratry ny coronavirus.

 

 

 

Ho an’ny kaominina Ampitatafika dia efa nafindra eny Ambodisaha izany, lalana miazo ny lalam-pirenena voalohany raha teo akaikin’ny kaominina mihitsy teo aloha. Noho ny havitrihan’ny olona nitondra arotava no fantatra fa anton’izany ka nampihena ny fanaraha-maso ihany koa. Na izany aza anefa hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaolina dia mitohy hatrany ny fanentanana sy ny fampianarana ny mponina ho fisorohana ny aretina na mivantana izany na amin’ny alalan’ny haino aman-jery. Efa nisy hoy izy ny olona iray nahiahiana teny amin’ny faritra hiadidiany saingy olana tsy voafaritra mazava ilay toerana nisy ilay nahiahiana na tao Ambohimamory Ampitatafika na Ambohimamory Andranonahoatra izay toerana tsy mifanalavitra. Mikasika ny fanampiana hiatrehana ny COVID 19 kosa dia fantatra fa anio alakamisy amin’ny 09 ora maraina no handeha ny fizarana ny tosika Fameno ho an’ireo mponina tokony hisitraka izany ao an-toerana. Ny fampitaovana ny anjaran’ny kaominina raha tsy misy idiran’ny Ben’ny tanana kosa raha araka ny fanazavany ny isan’ny olona hahazo izany fanampiana izany….

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT