Fahasalamana

Sakafo tsy madio sy tsy voaaro Mety hahafaty avy hatrany


  • Zoma 10 Novambra 2017

Mety hahafaty ao anatin’ny fotoana fohy ny fihinanana sakafo tsy madio sy tsy voaaro. Anisan’ireny ireo hamidy eny amoron-dalana, indrindra fa ireo tsy mampiasa fitaovana toy ny vitrine mba hiarovana amin’ny loto.

Nisy omaly ny hetsika fampahafantarana ny kalitaon’ny sakafo tokony hohanin’ny rehetra notanterahin’ny CLAM ( Consortium des laboratoires Alimentaires de Madagascar) tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely omaly, notarihin’ny filohany Rakotondravony Francis. Tanjona ny hampahafantarana ny isan-tokantrano ny fahadiovan’ny sakafo tokony hohanina, ny fomba fikarakarana izany, hisorohana ilay karazan’aretina mety hitranga voasokajy ao anatin’ny  TIAC ( Toxi-Infection Alimentaire Collective), izay miandoha amin’ny aretin’andoha, ny aretin-kibo ary mety hiafara amin’ny fahafatesana mihitsy araka ny fanazavan-dRtoa Harimalala Andriambelonirina, filoha lefitry ny fikambanana CLAM. Efa nisy moa ny ezaka nataon’ny CLAM  tamin’ny fanofanana ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana manerana ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra izay inoana fa hisy fiantraikany goavana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina tokoa.  Ankoatra izay dia miantso ny rehetra mba hijery tsara ireo daty voasoratra amin’ny sakafo hamidy anaty sachet toy ny pate jaune, ny vatomamy….ihany koa ny CLAM ho fiarovana ny fahasalamana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT