Sakafo mandritra ny fety

Miantso ny olona mba hitandrina ny HJRA


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Vonona hatrany ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha handray ireo olona tojo tsy fahasalamana

ho avy hanatona azy mandritra ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ho avy izao. Ampy tsara mpitsabo handray an-tanana ireo marary isaky ny sampandraharaha isanisany raha toraka izay ihany koa ny fanafody. Na izany aza anefa dia miantso sahady ny olon-drehetra mba hitandrina ny sakafo hohaniny ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ity hopitalim-panjakana iray ity. Raha araka ny fanazavana azo mantsy dia saika olona voapoizin’ny sakafo nohaniny ny ankamaroan’ireo tonga nandalo sy niditra hopitaly tao amin’izy ireo nandritra ny alin’ny 24 Desambra sy ny Alatsinainy 25 Desambra teo. Ankoatra ireo narary andoha, nivalana ary fanina dia tsy vitsy ireo saika tsy nahatsiaro tena mihitsy. Am-polony izy ireo. Ankoatra ny fihinanana maionezy vita avy amin’ny atodim-borona dia atahorana ihany koa ny fihinanana ireo karazan-tsakafo notehirizina anaty boaty efa lany daty izay tena miparitaka fatratra tokoa rehefa fety tahaka izao. Manentana ny tokony hanarahan’ny tsirairay ny pejin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo noho izany hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Legende : Sady mamono no mamelona ny sakafo rehefa tsy hay ny mandanjalanja azy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT