Omaly no nampahafantarina tetsy amin’ny Tranoben’ny Indostria sy ny Varotra Antaninarenina ny fankalazana voalohany manerantany momba ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiahiana ara-pahasalamana ho an’ny sakafo (JISSA).
Tsiahivina fa efa misy ny torolalana ara-tsakafo (code alimentaire) izay ampiasain’ny firenena rehetra ary nametraka izany tamin’ny alalan’ny Komity Nasionalin’ny Torolalana ho an’ny sakafo i Madagasikara (CNCA) tamin’ny taona 2006. Fiaraha-miasa amin’ny minisitera isan-tsokajiny tahaka ny fahasalamana, fambolena sy fiompiana, ny Indostria izy ity ary omaly avokoa no nanatanterahan’ny firenena maneran-tany ny fankalazana. Sampana iray natsangan’ny FAO (sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo) sy ny OMS (Fikambanana Manerantany ho an’ny Fahasalamana) io CNCA io ary mijery manokana momba ny fenitra ara-tsakafo ka anisan’ny mpikambana feno ao i Madagasikara. Tanjona ny fanarahan-dalàna amin’ny fivarotana sakafo sy ny fiarovana ny mpanjifa amin’ireny sakafo amidy ireny. Misy ny rafitra sy ny ivontoerana ary ny komitim-pirenena mifandray mivantana amin’ny foibe FAO Rome eto Madagasikara momba ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Nisy ny fitsidihana an’ireny toerana mivarotra hani-masaka ireny hatao modely ka nosafidiana ny tsena anankiroa nisitraka fampiofanana. Taratra tamin’izay ihany koa fa tena mbola maro ny mpivarotra hani-masaka eto Madagasikara no tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana hiarovana ny mpanjifa
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.