Fahasalamana

Sakafo ara-pahasalamana Hanaovana adihevitra ny 17 sy ny 18 novambra


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Toy ny fanaony isan-taona dia hanamarika ny andro iraisam-pirenena momba ny sakafo ara-pahasalamana sy azo antoka ny sampandraharaha iray misahana izany eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ny 17 sy ny 18 novambra ho avy izao.

 

Etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanamarihana izany izay hiompana amin’ny fanoroana hevitra ny olona mikasika ny sakafo. Lohalahana  ny fahadiovana, ny fahaizana misafidy ireo karazana sakafo ara-pahasalamana sy azo antoka. Mikasika ireo karazan-tsakafo avy any ivelany voalaza fa tsy manara-penitra nefa tafiditra eto amintsika dia nambaran’Atoa Rakotovao Ravahatra fa dorana avy hatrany izy ireny aorian’ny fanadihadiana atao aminy.  Mahatratra 8.000 isa isan-taona ny sakafo hanaovana fanadihadiana saingy vitsivitsy ihany ireo tsy manara-penitra. Ho an’ireo tsara kalitao dia mahazo avy hatrany ny « certificat de consommabilité » ny orinasa mpamokatra. Ho an’ireo tsy manara-penitra kosa dia tsy hahazo io mari-pahaizana io mihitsy ho fitandroana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy. Valandresaka arahina adihevitra maro mikasika ny sakafo moa no ho hita hialohavana manampahaizana maro.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT