Fahasalamana

Sainte Marie Nakatona avokoa ny sekoly nanomboka omaly


  • Zoma 19 Jona 2020

Mpiasan’ny fahasalamana iray miaraka amin’ny zanany kely iray no fantatra fa lasibatry ny tsimok’aretina COVID 19 any amin’ny distrikan’i Sainte Marie. Ny alakamisy tamin’ny herinandro lasa teo no nahiahiana ny fahasalaman’izy ireo ka notiliana.

 

 

 

 

 

 Ny alahady taorian’izay dia tsy maintsy nampidirina hopitaly haingana tany Toamasina satria samy sempotra izy mianaka. Efa nahitana soritr’aretina avokoa araka izany izy ireo, antony nanosika ireo tompon’andraikitra rehetra any amin’ity distrika iray ity nandray fepetra. Nakatona nanomboka omaly avokoa araka izany ny sekoly rehetra ao Sainte Marie na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy misy mahazo mandeha mivavaka intsony ihany koa manomboka amin’ny Alahady ho avy izao ny mpino rehetra, ho fitandroana ny fahasalaman’ny mponina. Mihatra ihany koa ny “couvre feu” izay manomboka amin’ny 06 ora hariva ka hatramin’ny 04 ora maraina. Mikasika an’i Mahajanga manokana moa dia fantatra ihany koa fa olona 3 no mitondra ny tsimok’aretina COVID 19 any an-toerana ary efa noraisina daholo ihany koa ny fepetra mifandraika amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT