Fahasalamana

Rotorotom-piainana sy fahasahiranana Miombo isa ny Malagasy matin’ny AVC


  • Zoma 05 Janoary 2018

Miha mitombo isa hatrany Malagasy matin’ny aretin’ny fahatapahan’ny lalan-dra any amin’ny loha n any AVC (accident vasculaire cérébral) araka ny filazan’ny mpitsabo.Ny adintsaina mafy loatra mivadika ho rarin-tsaina na “Stress” no mahatonga azy io, ka ireo olona monina sy miasa an-tanan-dehibe no tena maro an’isa voany.

Tena tsy ampy anefa ny fanafody eny amin’ny hopitaly hahafahana manalefaka sy mitsabo io aretina io; araka ny fantatra mantsy dia ny pilina no betsaka kanefa ela fiasa amin’ny olona tratran’ny AVC izy io.NY ranom-panafody atsindrona avy hatrany ihany no vahaolana haingana rah any filazan’ny mpitsabo.Tonga mantsy dia miparitaka amin’ny vatana ary afaka mifehy haingana ny fiakaran’ny tosi-dra izy io .Ezahana ny hanaparitaka ity fanafody atsindrona avy hatrany ity amin’ny hopitaly rehetra manerana an’i Madagasikara mba hampihena ny olona maty vokatry ny AVC raha araka vaovao voaray. Mampatsiahy anefa ny mpitsabo fa ny fisorohana no tena tsara indrindra, izany hoe tokony mahay mandamina ny fiainana ,  mampitony ny fo sy ny saina ny olona tsirairay avy, tsy tokony ho mora taitaitra na sendoatra fa mahay mifehy tsara ny fihetsem-po, mba isorohana ny aretina sarotra tsaboina to any AVC.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT