Fahasalamana

Roland Ratsiraka “Mamono vahoaka an-kolaka ny filoha sy ny fitondrana ”


  • Zoma 26 Martsa 2021

Nahitsy ny Depioten’i Toamasina Roland Ratsiraka nilaza omaly fa tsy manana paikady hafa afatsy ny firesahana

 

 

 CVO sy CVO+ Gélule ny Filoham-pirenena. Fantantsika mianankavy anefa fa tsy nisy “éssai Clinique” natao tamin’ilay izy, ary isaky ny 15 andro tamin’ilay fahamehana ara-pahasalamana, dia io foana no noresahina satria tsy resy lahatra ny vahoaka Malagasy, hoy i Roland Ratsiraka. Tsy nihambahamba izy naneho fa tsy resy lahatra ny mpiara-miasa amin’ny Filoham-pirenena fa raha resy lahatra ireo ary mahomby ny CVO sy CVO+ dia tsy misy olona voan’ny covid-19 ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, tsy misy olona voan’ny covid-19 tao amin’ny governamanta, ary toy izany ihany koa ny antenimieram-pirenena sy antenimierandoholona. Mampalahelo izany satria atao sorona ny vahoaka Malagasy, ary atao ambanin-javatra ny fahasalamam-bahoaka. Fantam-poko fantam-pirenena fa vidian’ny Fanjakana amin’ny manodidina ny Filoha ny CVO, ka manana endrika fanodinkodinana volam-panjakana, manana endrika fanaovana ampihimamba ny resaka vola amin’ny covid-19, ary manana endrika ihany koa fangoronan-karena an-damosin’ny fahasalamam-bahoaka, hoy hatrany I Roland Ratsiraka. Io fitantanana ankehitriny io, dia mitsikera ny vaksiny ka isan’ny nanaovany izany ny AstraZeneca izay nisy olana kely. Misy anefa ny Jonhson and Jonhson, ny Moderna, Pfizer, ny Spoutnik V, ny Sinovac izay ampiasain’ny vahoaka atsy Seychelles samy tsy misy olana avokoa ka maninona ny Filoham-pirenena miresaka amintsika dia ny AstraZeneca ihany no resahina sy tsikeraina? Hoy I Roland Ratsiraka. Hentitra ny tenany naneho fa fanadalana saim-bahoaka ny filazana fa tsy hanafatra vaksiny, ary nambarany fa bizina be amina miliara miditra any amin’izy ireo avy amin’ny volam-bahoaka io. Heloka bevava, famonoana olona raha ohatra fantatrao hoe ity mba mitsabo ilay olona kanefa zavatra hafa no ataonao. Malahelo aho, ary izao olona mahafantatra ny Filoham-pirenena, tsy miady aminy, fa kosa tsy mety izao, zava-doza ny mitranga.

 

Tokony mametraka fahamehana ara-pahasalamana ihany koa ny fanjakana, mikorontana ny fitondrana ilay izy. Zon’olombelona atao ankilabao, zon’ny tsirairay ny mitsabo tena amin’ny fitsaboana misy, ka ahitsio ny zavatra ataonao, fa tena zava-doza izao ataonao izao, hoy ny hafatr’ i Roland Ratsiraka miantefa amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT