Fahasalamana

Rodobe ho an’ny fahasalamana Hisy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana hatramin’ny 7 martsa


  • Talata 28 Febroary 2023

Natomboka tamim-pomba ofisialy omaly ilay hetsika rodobe ho an’ny fahasalamana nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Sarobidy ny aiko »,

iarahana amin’ny Association Fitia. Tetsy amin’ny hopitaly HJRA Anosy izy ireo no nanangaina ka hitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Fiarabe hitondra tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana no hotazana mandritra izany izay hijanona amin’ny toerana maro samihafa raha araka ny vaovao azo omaly. Teny Ambohidratrimo no nisantaran’izy ireo izany omaly tao amin’ny barcelone Anosiala. Hitohy anio eo amin’ny kianja fanaovam-baolin’ny kaominina Ankadikely Ilafy izany ho an’ny distrikan’Avaradrano. Eny amin’ny taninkatsaka Itaosy rahampitso fiandohan’ny volana Martsa ho an’Atsimondrano. Ny 02 ka hatramin’ny 06 Febroary kosa izy ireo no hitety ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra ka eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena eny Mahamasina no hamaranany izany ny 07 martsa ho avy izao ho an’ny Boriborintany fahaefatra. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana tsotra moa dia aretina maro no hotoliana amin’izany toy ny aretin’ny tosi-dra, ny maso, ny diabeta, ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy…. Samy tafiditra ao anatin’ireo hetsika entina hanamarihana ny fihaonam-be ho an’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy avokoa moa izao hetsika fitsaboana mitety vohitra izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT