Fahasalamana

RODOBE ARA-PAHASALAMANA Olona 1580 no nahazo tombony tao Ambositra


  • Talata 01 Aogositra 2023

Betsaka ireo olona tsy afaka mitsabo tena intsony amin’izao. Noho ny fahasahiranana amin’ny ankapobeny sy ny hasarotan’ny fiainana no antony mahatonga izany.

Raha tsy manana 20.000 Ar tokoa mantsy dia tsy mba afaka mizaha fahasalamana eny anivon’ireny mpitsabo tsy miankina ireny raha mbola ankoatra izay ny vola ilaina amin’ny fanafody. Izany indrindra no antom-pisian’ilay hetsika “Caravane médicale des 119 districts" na rodobe ara-pahasalamana karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Assocition Fitia. Tany amin’ny distrikan’Ambositra ireo fiarabe maromaro niaraka tamin’ny mpitsabo isan-tsokajiny no nanatanteraka ny asany omaly Alatsinainy ka olona miisa 1 580 no nisitraka maimaim-poana izany. Lohalaharana amin’ireny ny fizahana ankapobeny, fanaovam-baksiny, ny fitsirihana ny VIH/SIDA, ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy bevohoka, ny fitarafana… Ankoatra ny ady amin'ny tsy fahasalamana, ny "caravane médicale" dia nitondra fanentanana ho an'ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na ny maha-vavy (VBG) ihany koa. Nahatratra 4 740 ny isan'ireo olona noentanina omaly tao Ambositra ihany tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : "Sarobidy ny aiko".
Pati
Legende : Nahazo tombony ihany koa ireo ankizikely marary nify teto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT