Fahasalamana

Rija Mandimbison – Centre Ainasoa « Mila fitandremana be ny hatsiaka fa mety mahavoan’ny tazo »


  • Alatsinainy 03 Jolay 2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara ankehitriny raha mbola somary nafampana kely talohan’ny fetin’ny 26 Jona.

Efa tafidina hatrany amin’ny 2 degre mihitsy ny maripana tamin’ny faran’ny herinandro teo tany Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra izay mila tsy ho zakan’ny fahasalaman’olombelona intsony. Ilana fitandremana be io fiovan’ny toetr’andro tena mangatsiaka loatra io raha araka ny fanazavan’Atoa Rija Mandimbison, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Ainasoa. Nambarany fa aretina maro no mety aterak’izany toy ny aretin’andoha, ny fanaviana izay mampandamaka mihitsy, ny gripa mahery izay mety hivadika tazo mihitsy raha tsy lazaina intsony ireo aretin’ny taovam-pisefoana toy ny asma, ny koho-maina mampihizina ny tratra…. Vahaolana arosony araka izany ny tokony hihinanana ireo sakafo be otrik’aina mba hahafahana mampiakatra ny hery fiarovana. Ho azy ireo manokana moa dia hisy indray ny fizarana vitamina sy calcium ary manezioma maimaimpoana hotanterahiny manomboka ny 01 jolay ho avy izao ho an’ireo tonga mitsabo tena ao aminy.
Pati
Legende : Atoa Rija Mandimbison, mpitsabo amin’ny vokatra natoraly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT