Fahasalamana

Resaka vaksinin’ny pesta Nisahotaka i Toamasina


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Nampisahotaka ny ray aman-dreny nanan-janaka madinika ao Toamasina omaly ny fipariahan’ny resaka fa misy mpitsabo mitety fokontany miaraka amin’ny miaramila ary manery ny tsy maintsy hanaovana vaksiny ny ankizy ho fiarovana amin’ny valanaretina pesta.

 Nihorohoro kosa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny, ka nanitrika sy nanidy zanany tao an-trano, hany ka tsy nahitana ankizy nilalao intsony ny lalam-pasika samihafa tao Toamasina. Samy nanana ny nambarany avy ny teny amin’ny fokontany vitsivitsy. Tao ny nilaza fa efa niatrika fanaovana vaksiny atao an-tery ka niteny fa nisy mihitsy ny zaza sy ankizy torana. Tao kosa no nanambara fa nisy mihitsy ny maty. Tonga tany am-poto-tsofin’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ny resaka, ka nandefa mpitandro ny filaminana nanara-maso sy nanamarina izany avy hatrany izy. Rehefa raikitra anefa ny fidinana ifotony dia tsy nisy akory ireo sahy nijoro vavolombelona amin’ny tena fahamarinan’ilay toe-javatra nampisahotaka. Noho ny tahotra ve sa tsaho niniana nahely ho fanakorontanana ny saim-bahoaka ? Mandeha ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fampitandremana ireo mpanely tsaho sy manao sangy ratsy momba ity fisiana vaksiny lazaina fa miaro amin’ny pesta atao an-tery ity. Tsy misy vaksinin’ny pesta eto amintsika ary tsy misy hetsika manokana fanaovam-baksinin’ny pesta eto Toamasina, hoy ny prefe. Marihina fa tonga hatrany Brickaville ity resaka ity, ka hatramin’ny sekoly aza nihidy avokoa omaly. Ireo ekipa ara-dalàna mpanao fanisam-bahoaka araka ny fandaharam-pirenena indray no voaendrikendrika, toy ny niseho tao amin’ny Toby fitehirizam-panafody ao Analakininina. Nosokafana nanomboka omaly ny laharana maitso 905, hiantsoan’ny olona raha misy fangataham-baovao sy antso mikasika ny pesta. Finday miisa 5 mihitsy no natokana ho amin’izany mba hisorohana ny fahasarotana.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT