Fahasalamana

Resabe niparitaka tetsy sy teroa Nanazava ny momba ilay « paracétamol » ny ministera


  • Talata 24 Janoary 2023

Betsaka ireo olona nikorotan-tsaina nanoloana ilay vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook fa ahitana ilay virus machipo ao anatin’ireo fanafody paracetamol hamidy eto amintsika.

Nandiso avy hatrany io vaovao niely io ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny fitalevana miandraikitra ny fanafody omaly. Miantso ny vahoaka ho tony izy ireo ary tsy handairan’izany tsaho izany. Fanafody efa vita fitiliana sy voahara-maso avokoa mantsy ireo miditra eto amintsika hoy hatrany ny ministera ka tsy misy atahorana. Tsaho efa niely tany amin’ireo firenena maro samihafa tany ivelany rahateo io tsaho io tamin’ny taona 2017 tany ho any hoy hatrany ny fanazavan’izy ireo. Raha sanatria ka mahita na iharana tranga hafahafa mifandraika amin’ny fihinanana io fanafody io moa ny tsirairay dia miantso azy ireny mba hampandre avy hatrany ny Centre National de pharmacovigilence na ny agene du medicament de Madagascar sy ny Ministera tompon’andraikitra ireto farany hahafahana mandray ny fepetra mifanaraka amin’izany. Mbola azo hanina tsara araka izany ny paracetamol fa tsy atahorana hitondra io virus machipo io ao anatin’ny vatan’olombelona.
Pati
Legende : Mbola azo hanina tsara ny paracetamol, hoy ny ministera’ny fahasalamam-bahoaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT