Rarin-tsaina, fahasarotan’ny fiainana,…

Mitombo be ireo olona lasa mifoka sigara


  • Zoma 15 Septambra 2023

Tena sarotra ny fiainana! Tsy misy izay tsy miaiky izany ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy izay tena mivoaka sempotra tokoa.

Tsy ampy hiainana intsony ny karama isam-bolana, tsy misy ny fahafahana hitsaboana tena raha sanatria ka marary, ny vidin-javatra tsy mitsaha-miakatra isan’andro, tsy voaloha intsony ny hofantranon’olona, ny vady mampirafy….Vokatr’ireo trangam-piainana maro samihafa ireo dia tsy vitsy ireo laasa manatao foana. Ankoatra ireo miditra bara misotro toaka sy miloka izay tsy hanavahana na lahy na vavy dia mitombo isa ihany koa amin’izao ireo olona lasa mifoka sigara. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra enta-madinika iray tetsy Anosy dia ny news sy ny good look maintso no tena be mpividy. Mahalany 4 fonosana isanisany amin’ireo ny mpivarotra iray isan’andro raha kely nefa efa 200 Ar latsaka ny iray. Misy amin’ireo mpividy raha araka ny nambarany no efa mivatsy briquet mihitsy mba hifohana izany raha misy ihany koa ireo mangataka afo amin’ny manodidina. Saika olona manana adin-tsaina avokoa hoy hatrany ity mpivarotra ity ireo manao izany ka manary dia. Misy moa dia mahavita tsy mijery kafe sy mofo mihitsy na dia noana tsy mihinan-kanina atoandro aza fa hividianana sigara mba hanalana sorisory vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Tsiahivina hatrany anefa fa mahavoan’ny aretin’ny taovam-pisefoana ny fifohana sigara. Mankarary vavony ihany koa ary tena ratsy dia mahavoa ny homamiadan’ny havokavoka.
Pati
Legende : Any anatin’ny fifohana sigara sisa no maka fafiny ny sasany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT