Fahasalamana

Rano fisotro madio Vao ny ampahefatry ny Malagasy no manana azy


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Mbola vao ny apahefatry ny mponina manerana ny Nosy ankehitriny no manana rano fisotro madio.

Ny ankoatra izay dia mbola miaina amin’ny fakana rano eny amin’ny loharano na eny amin’ny vovo avokoa,  antony mbola mampirongatra ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny bilarziozy sy ny aretin-kibo. Mba hahafahana mamaha ny olana dia nanolotra motopompe miisa 36 ho an’ny orinasa JIRAMA ny birao mahaleotena misahana ny loza voajanahary (BNGRC) omaly. Teny Mandroseza no nanatanterahana ny lanonana ka nahafantarana ihany koa fa ezahina haparitaka manerana ny faritra maro ireo motopompe ireo toy ny any Moramanga, Ambatondrazaka, Morondava, Taolognaro, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, Marovoay, Mahajanga, Belo tsiribihina, Antanifotsy, Mananjary, Betroka ary Mahanoro mba ho fanatsarana ny fanomezana rano fisotro madio ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanoloana  ireo efa simba any amin’ny toerana hafa  mba hahazoan’ny isan-tokantrano rano fisotro madio. Fantatra ihany koa fa hamaha betsaka ny olana ateraky ny fahatapahan-drano matetika ireto fitaovana vao natolotra  ireto, hoy ny talen’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fahadiovana eo anivon’ny orinasa JIRAMA  Andriavelojaona Nirina.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT