Fahasalamana

Rano fisotro madio Efa misy ny fitaovana hahafahana mikarakara ireo tsy azo antoka


  • Zoma 12 Mey 2017

50 % raha betsaka indrindra ireo Malagasy misitraka rano fisotro madio eto amintsika.

Ny ankoatra izay dia  mbola miaina amin’ny fampiasana ny rano azo avy amin’ny vovo avokoa ankoatra ireo maka rano eny an-tanimbary. Mba ho fanampiana ny isan-tokantrano ary dia nampahafantarina tamim-pomba ofisialy sy nanaovana andrana tany amin’ny kaominina ambanivohitra Masindray omaly ny fisian’ilay fitaovana vaovao fanadiovan-drano, vokarina orinasa vahiny iray. Ny Association d’aides humanitaires (2AH) no mpiara-miombon’antoka aminy, fitaovana izay afaka mamadika ny rano tsy ara-pahasalamana rehetra hanjary ho rano fisotro madio. Raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra ity fitaovana ity, Christophe Camparé, dia misintona ny rano tsy voadio izy io, manadio ary mamokatra rano fisotro tena madio avy eo. Azo antoka ny rano vokarin’ilay fitaovana noho izy efa voasedra tany anivon’ireo laboratoara maro sy ny institut Pasteur, ka ny tanjona dia ny hampihenana ny tahan’ireo karazan’aretina azo avy amin’ny fisotroana rano tsy madio toy ny aretin-kibo…Azo entina mandehandeha ity fitaovaa afaka manadio rano hatrany amin’ny 300 litatra ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT