Fahasalamana

Randrianasolo Jean Nicolas "Tena mandripaka olona maro ny tazomoka aty Betroka"


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Raha variana amin'ny ady atao amin'ny tsimokaretina coronavirus miainga ao an-drenivohitr'i Madagasikara ny fitondrana foibe Malagasy ankehitriny ary tena rariny tanteraka izany, hoy ny depioten'i Madagasikara Randrianasolo Jean Nicolas,

 

 

 dia misoko mangina mandripaka olona maro kosa aty amin'ny distrikan'i Betroka aty ny tazomoka mahery. Efa maro dia maro tokoa ankehitriny ny lavon'ity aretina iray ity, hoy izy, fa efa manodidina ny 70 isa any ho any ary ny mampalahelo dia saika zaza madinika avokoa ny ankamoroany tamin'izy ireo. Ny mampalahelo anefa, hoy hatrany ity depiote ity tamin'ny firesadresahana an-telefaonina taminay, dia tena miraviravy tanana ireo tompon'andraikitry ny fahasalamana aty amin'ity distrika misy anay ity noho ny tsy mbola namalian'ny minisitera mpiahy ny fangatahana nataonay efa hatramin'ny 3 volana lasa izao ny mba handefasana fanafody sy fitaovana hoenti-misedra an'io aretina io. Koa dia manaitra ny sain'io minisitera tompon'andraikitry ny fahasalamam-bahoaka io sy ny fitondram-panjakana foibe ihany koa mba hanara-maso sy hijery ifotony ny zava-misy aty Betroka aty fa mijaly ny vahoaka. Azo antoka fa hanana izay ho ambarany tokoa ity depiote voafidy avy any amin'ny distrikan'i Betroka ity rehefa mby tonga eto Iarivo hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny parlemantera Malagasy taona 2020 tontosaina amin'ity fiandohan'ny volana mey ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT