Ampy ny filàna amin’ny ara-panafody, ara-materialy sy ara-pitaovana, ary indrindra ny arak’olona mba hiatrehana ny valan’aretina pesta, raha ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly.
Hohamafisina ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ary ny fitsaboana ireo marary. Mifanindran-dàlana amin’izany ny fandraisana andraikitra manoloana ny fiainan’ny mponina amin’izao fotoana izao manoloana ny tena zava-misy, ary hohamafisina ny fanomezam-baovao ara-potoana sy ny fanentanana ny fiaraha-monina. Notsindriany manokana kosa ny momba ny fanapariahana vaovao tsy marina, izay mila handraisana fepetra hentitra. Marihina fa toerana vitsivitsy no notsidihiny omaly, dia ny toeram-pitehirizana fanafody Salama eny Tanjombato. Niatrika ny fivorian’ny “cellule de crise” momba ny ady amin’ny pesta eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana ihany koa ny tenany, nialohan’ny nitsidihany teny amin’ny Institut Pasteur manana ny foibeny eny Avaradoha. Farany, dia nihazo ny DHL nanatritra ny fanolorana fanampiana avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ny filoha. Nilaza moa i Hery Rajaonarimampianina iny omaly iny, fa azo resena ny pesta, ary tokony handraisana andraikitra haingana. Tena hahomby isika raha miasa miaraka raha ny fanehoan-keviny. Nanentana ny rehetra tsy hihorohoro sy tsy ho lasibatry ny tsaho ihany koa ny tenany. Nambarany fa 27% ny taham-pahafatesana, ary efa 10,7% amin’izao, izay efa manakaiky ny 10% amin’ny ezaka mendrika dia ny 10% araka ny fanasokajian’ny OMS. Noresahiny nandritra ny fitsidihany teny amin’ny Institut Pasteur ihany koa ny resaka fitiliana haingana ny pesta na ny TDR, izay azo fantarina ao anatin’ny 15 minitra ny vokany, izay tsy ampiharina raha tsy ao anatin’ny hamehana. Iny omaly iny ihany dia nisy ny fanolorana fanafody sy fitaovana hahafahana mitsabo olona marary 7000 sy 30000 hafa nifanerasera taminy avy amin’ny USAID sy mpiara-miombon’antoka. Toa tsy taitra firy ny filoha manoloana ny pesta, ary miezaka mampitony sy mandamin-dresaka. Marihina fa 48 izao no efa maty ary 449 ny trangana pesta, raha ny antontan’isa farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.