Raharaha fanapoizinana

Tsy mitsaha-miakatra ny isan'ireo maty


  • Talata 24 Jona 2025

Tsy mitsaha-miakatra ireo namoy ny ainy vokatry ny fanapoizinana teny Ambohimalaza

ny 14 jona lasa teo. Niampy iray indray ireo lavo, ka tsy latsaky ny 24 hatreto ireo maty tamin’ity raharaha ity. Nodimandry omaly maraina tokony ho tamin'ny 1 ora ihany koa ilay rangahy tompon'ny Transcolis Ambodivona. Nanaraka fitsaboana nandritra ny herinandro tao amin’ny Ivon-toeram-pitsaboana tsy miankina iray teny Ankadifotsy ny tenany saingy tsy tana ny ainy. Efa nodimandry herinandro katroka nialohan’ny nahafatesany moa ny vadiny moa ny vadiny izay efa nalevina ny zoma lasa teo, anisan’ny lasibatra ihany koa tamin’ny fanapoizinana. Hatreto, miisa 24 ireo marary mbola manaraka fitsaboana eo anivon'ny Hopitaly HJRA. Mbola mahatratra 18 ireo ao anaty fahasarotana, tena mila fanarahamaso ny toe-pahasalamany. Ny 6 kosa efa tsy misy ahiana intsony raha ny fanazavan'ny Tompon'andraikitra. Voalaza fa mbola anatin'ny sampana fameloman'aina ilay tovovavy tompom-pety nandritra. Andaniny, 5 andro taorian’ny fanambaran’ny Filoham-pirenena fa nalefa notiliana any ivelany ny poizina, ary hatao ny ezaka rehetra hitazonana ny ain’ireo marary, dia mbola betsaka ny fahasarotana sy fitarainana, fa indrindra ny ahiahy. Anisan’ny nitaraina noho ny fahatsapana tsirambina ny fianankavian’ilay tovovavy vao 21 taona Nasandratriniavo Myriella ka anisan’ny noresahan’izy ireo ny delestazy. Tahaka izany ihany koa ny fianakavian’i Riana Judicaël raha nilaza fa tahaka ny milalao aina ny hopitaly raha nampiandraikitra ireo mpitsabo mpiana-draharaha na «stagiaire» ny fikarakaràna ny havan’izy ireo. Efa hitan’izy ireo ho nahatsiaro ho sempotra ilay marary ary efa manala seraoma mihitsy kanefa dia mbola toy ireny milalao ireny ihany ireto mpiana-draharaha ireto. Nanampy trotraka ny herinaratra izay niteraka olana tamin’ny fitaovana famatsiana «oxygène» ho an’ilay marary, raha ny fitarainana. Raha nanizingizina ny Fitondram-panjakana fa fanapoizinana niniana natao, dia nisy kosa andaniny ny filazam-baovao nataon’ny fampahalalam-baovao vahiny RFI naneho fa misy loharanom-baovaon’ny mpitsabo manohitra ny filazan’ny Fanjakana fa fanapoizinana niniana natao no nitranga. Mbola betsaka ny zavatra mifamahofaho, saingy ny irariana, dia ny fahasitranan’ireo marary.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT