Fahasalamana

Raharaha Claudine Razaimamonjy Aoka hifanaja isika, hoy ny HJRA


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny foibem-pitantanan’ny CHU JRA na ny Hopitaly HJRA etsy Ampefiloha omaly. Votoatin’ny resany ny fampahafantarana ny besinimaro fa ny marary rehetra dia manana ny satany manokana sy ny zony hahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy.

Milaza ny mpitantana fa ny olon-drehetra manatanteraka iraka ao amin’ity hopitaly ity dia tsy maintsy manaraka sy manaja ny fiandrianan’ny hopitaly amin’ny fanatanterahana izany. Mila manaraka ny fitsipika sy ny dingana ara-panjakana ary ny lamina hapetraky ny mpitsabo. Manomboka izao dia tsy handefitra amin’ny fihetsika heverin’izy ireo ho fandikan-dalàna intsony ny fiadidian’ny Hopitaly. Na tsy nivantana aza ny eo anivon’ny HJRA, dia ny resaka momba ny fitsidihan’ny filohan’ny SMM Faniry Ernaivo nanamarina ny maha ao an-toerana an’i Claudine Razaimamonjy no anton’izao fanambarana izao. Na ny governemanta aza mantsy dia efa nanameloka sy nanasoketa azy ho manampatra fahefana sy manao asa fanakorontanana, ary nanome baiko ny handraisana fepetra henjana hatramin’ny fanenjehana ara-pitsarana. Heverina, araka izany, fa tsindry avy amin’ny mpitondra no nanaovana ity fanambarana ity, ary mety ho fisakanana ankolaka ny mpitsara tsy hanara-maso an’i Claudine Razaimamonjy eny amin’ny hopitaly HJRA intsony. Raha ny lalàna no arahina dia efa any am-ponja i Claudine Razaimamonjy amin’izao fotoana izao, saingy ahiana ny mety hisian’ny tsikombakomba eo aminy sy ny hopitaly HJRA, izay tsy milaza mazava ny mahazo io ramatoa io. Ny fiadidian’ny fonja dia manana mpitsabo afaka manara-maso ny fahasalamany, ary tokony ho any am-ponja izy amin’izao fotoana izao saingy tsikaritra ho efa mikambana ho tambajotra mihitsy ireo manda izay fampiharana ny didy famonjana azy vonjimaika izay.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT