Fahasalamana

Rafanomezantsoa Jean Nirina Ndao hitandrina mba tsy hiverenan’ny fihibohana


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Mirongatra ny valan’aretina Covid 19 eto amintsika izay efa miseho amin’ilay endriny mahery vaika kokoa na variant.

 

 

 Naneho ny heviny mikasika izany Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA omaly ka nambarany tamin’izany fa ny rehetra no tokony samy hitandrina tsy hiverenana anaty fihibohana intsony. Vao mainka hahazo vahana mantsy hoy izy ny olana ara-tsosialy raha izany no misy. Ireo efa manana anton’asa hoy izy mety ho very asa indray toy ireo mpamily sy ny mpanampy azy ao anatin’ny zotra nasionaly tsy afaka miditra ao Mahajanga. Ny tena vahaolana hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina dia ny fiarovan-tenan’ny tsirairay izay tokony hohamafisina hatrany. Nosinganiny manokana ireo manana aretina mitaiza toy ny diabetika, be tosi-dra… Mikasika ny valan’aretina COVID 19 moa dia notsiahiviny fa afaka mitsabo izany izy ireo ary ampy tsara ny tahirim-panafody fa tsy misy atahorana. Manana tombony isika Malagasy hoy izy manana ireo karazana zava-maniry azo hitsaboana ny aretina rehetra toy ny hampiasain’ny FITRAMA ankehitriny. Mivoka mandritra ny 7 amin’ny 7 andro moa izy ireo hahafahana mandray ireo marary sy tsy salama rehetra.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT