Fahasalamana

Pr Rafatro Herintsoa “Nanavotra ny Malagasy ny fitsaboana nolovaina.”


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Nanazava ny fahitany ny antony tsy handairan’ny viriosy COVID 19 loatra eto amintsika tetsy amin’ny ivon-toeram-pibaikoana momba izany etsy Ivato omaly ny Pr Rafatro Herintsoa,

manam-pahaizana momba ny Haifanafody no sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo. 30 taona no nikarohany momba ny fitsaboana nolovaina na “medecine traditionnelle” sy ny zava-maniry azo hitsaboana. Niainga tany Sina ny faramparan’ny desambra 2019 no niparitaka maneran-tany [eoropasy Etazonia] ary tonga teto Madagasikara ny martsa teo ny COVID 19, hoy izy. An-tapitrisany no marary any amin’ny ilabolantany avaratra ary aman’alina no maty. Ho antsika kosa firy avy? Zavatra miisa 2 no azo tsoahana. Mety marina ny hoe mafy toto ny malagasy ary mafy hery fiarovana. Tsy mbola naheno aho hoe nisy maty na tamin’ireo areti-mandringana efa tany aloha aza ny malagasy. Resy lahatra koa anefa aho, hoy ity manampahaizana ity fa ny fomba fampiasana ny fitsaboana nolovaina no nanavotra antsika. Ny sinoa nisafidy ny nanangana hopitaly be tao anaty 3 andro hiatrehana ny COVID 19. Ny antsika avy hatrany dia niparitaka ny Ravintsara, ravina Romarin, kininim-potsy,mandrava sarotra sy ny hafa rehetra. Nisy fotoana niaka-bidy sy nifandrombahana ny sakamalaho sy tongolo gasy. Ny 80%n’ny malagasy dia saika mampiasana io fomba fitsaboana nolovaina io avokoa, hoy hatrany izy, ary izao dia tena resy lahatra fa nanavotra antsika izany ka mbola tokony tohizana, ka ny tsirairay no mahafantatra ny raokandro Malagasy mety aminy sy zakany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT