Fahasalamana

Pharmalagasy Am-pikarohana ireo mpiasa ambony


  • Talata 30 Jona 2020

Eo am-pikarohana ireo mpiasa ambony na ireo izay ho mpitantana ny ozinina goavana mpamokatra fanafody vaovao, Pharmalagasy, ankehitriny ny fitondram-panjakana, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto.

 

 

 

 

Raha tsiahivina ny fanazavan’ny filoham-pirenena mikasika ity orinasa ity dia asaina handrotsaka petrabola na “action” ao anatin’izy io ireo sehatra tsy miankina amin’izao fanombohany izao. Hisy ihany koa anefa ny fandraisan’anjaran’ireo orinasam-panjakana ao anatin’izany. Amin’ny ankapobeny dia ireo ho tale sy/na ho tomponandraikitra eo anivon’ity orinasa vaovao kasaina ho atao goavana indrindra momban’ny fanafody ity moa, no karohina ankehitriny, raha ny fanazavana. Hamokatra ny tambavy CVO amin’ny endriny Gellule na CVO+ no hanombohan’ity orinasa ity ny vokany fa kasaina hamokatra fanafody miisa 12 ao anatin’ny 3 taona ihany koa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT