Fahasalamana

Pesta nafenimpenina Tandrevaka sa famoanona ny Malagasy ?


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Nokobokobonin’ny fanjakana ny fisian’ny aretina pesta, raha dinihina amin’ny hoe efa tamin’ny 28 aogositra no nisehoan’ny tranga voalohany nisian’ny lehilahy maty tampoka tany anaty fitateram-bahoaka niala an’Ankazobe hihazo an’i Toamasina, nijanona tao Moramanga ary mety namindra aretina tao ny razana.


 Olona 18 niray taksibrosy taminy sy ireo ireo nifanerasera tamin’ireto farany no ahiana. Toa niniana nafenimpenina ny zava-miseho, ka efa mandripaka olona vao mandeha ny fampandriana adrisa fa voafehy ny trangan’aretina. Ara-bakiteny mihitsy ilay fitenenana hoe : “mandrimandry manana aretina” nefa mitaintaina sy mikorontan-tsaina ny mpiray firenena vokatr’ity zava-doza ity. Misahotaka ny olona any Vohémar taorian’ny fahatongavan’ny razana matin’ny pesta, filaharambe tamin’ireo toeram-pividianana fanafody tao Toamasina. Any Sambava, efa tafakatra 25.000Ar ny “plaquette” COTRIM iray. Efa tonga hatrany Farafangana io resaka filaharana fanafody sy fanararaotana io. Mionona amin’ny filazana fa “efa voafehy ny valan’aretina” ny minisiteran’ny fahasalamana. Ny vahoaka anefa manahy mafy ny ainy ary mahatsapa ho tsy misy mpiahy, ka mikoropaka mividy izay fanafody heveriny ho fanefitra, kanefa mety hitera-doza hafa.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT