Fahasalamana

Pesta mihanaka eto Antananarivo Mitombo isa ireo toeram-pitiliana


  • Talata 10 Oktobra 2017

Fantatra izao, araka ny fanadihadiana natao, fa misy trano lay miisa 3 ao amin’ny (CRM) Croix Rouge Malagasy Tsaralalàna, ary ny dokoteran’ny minisiteran’ny fahasalamana no manao ny TDR (Test de dépistage Rapide) momba ny olona manao fitiliana na mitondra na tsia ny valan’aretina pesta.

Alefa any Anosiavaratra avy eo ireo voamarina fa misy soritr’aretina rehetra, raha ny loharanom-baovao iray ka ny fiara mpitondra mararin’ny CRM no mitondra azy any. Nisy olona voa miisa 4 omaly maraina. Ny hariva, dia olona 4 no niditra tao anatin’ilay  fiara nefa olona 1 no voalaza fa voa satria tsy maintsy manaraka any amin’ny hopitaly, hono, izy ireo. Tsy misy kosa ny fampitam-baovao ofisialy momba ny fisian’ny toeram-pitiliana pesta fa ny fikaroham-baovao no nahalalana azy. Mampatahotra sy toa mampiahiahy ny zava-misy. Efa mihanaka manerana ny renivohitra ve ity valan’aretina ity, ka izay no antony nananganana toeram-pitiliana amina toerana maromaro ? Tena tsy voafehy ny pesta ankehitriny, ka mitaintain-dava ny rehetra. Mitombo andro aman’alina ny isan’ny olona maty sy ireo toerana ahitana ny valan’aretina. Tafakatra 45 ny maty ary 387 ireo trangana pesta voamarina nanomboka ny 1 aogositra hatramin'ny 8 oktobra teo. Tafakatra 28 ireo distrika efa ahitana azy, ka anisan’ny vao nisian’ny tranga ny tany Soavinandriana, Ambohimahasoa ary Fandriana. Toa nanipy baolina any amin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary sisa no nataon’ny fanjakana momba ny fanomezana antontam-baovao mikasika ny pesta, ary vao mainka manjavozavo ny serasera.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT