Fandevenana mendrika ary azo antoka no nifantohan’ny famelabelaran-kevitra sy fifanakalozana tetsy amin’ny hotely Carlton Anosy omaly niarahan’ny minisiteran’ny fahasalamana, ny OMS ary ireo olobe,
Tangalamena ary Raiamandreny ara-drazana isam-paritra eto Madagasikara. Nanana solontena tao ihany koa ny firaisamonim-pirenena, nanazava ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Lalatiana Randriamanarivo fa ny fahasalaman’ny vahoaka no zava-dehibe indrindra ho an’ny minisitera tantanany sy ny fitondram-panjakana. Ekena, hoy izy, fa eo ny fombafomba isan-karazany, ny fomban-drazana, ny fomba isam-paritra saingy fandevenana mendrika sy azo antoka no tsy maintsy atao amin’izao vanim-potoana mampisy ny valanaretina pesta eto Madagasikara izao. Tsy mihetraketraka izany ny mpiasan’ny BMH, hoy ny minisitra Lalatiana Randriamanarivo fa manao ny asany amin’ny fandraisana an-tanana ireo olona voaporofo fa matin’ny pesta mba isorohana ny mety ho fiparitahan’ny aretina. Hentitra ny minisitra nilaza fa taorian’ny fitsirihana nataon’ny hopitaly ary avy eo mbola nohamarinina teny amin’ny Institut Pasteur vao ambara fa matin’ny pesta ny olona iray. Tsy manan-kery ny fitsirihana maimaika ataona dokotera tsotra na ny tomba-maso ataon’ny fianakavian’ny maty fa tsy maintsy ny hopitaly sy ny Institut Pasteur no mitsirika. Raha toa ka misy ny zavatra tsy azo antoka, kanefa tsy manaiky ny fianakavian’ilay maty dia ialana tsiny fa tsy maintsy mandray fepetra hentitra izahay, hoy ny minisitry ny fahasalamana. Nizara ny traikefa sy fahaizamanao momba ny fiatrehana ny pesta teny amin’ny Carlton koa omaly ry zareo Sinoa. Nisy ihany koa ny fampisehoana ilay “sac mortuaire” na kitapo manokana hamonosana ireo olona matin’ny pesta mialoha ny handevenana azy ireo. Fanangonan-kevitra no natao omaly ka hisy avy eo ny fandravonana mba hamoahana fomba fiasa sy fomba fanao momba ity fandevenana mendrika sy azo antoka ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.