Fahasalamana

Pesta any Analanjirofo Tapa-bolana tsy nisy tranga vaovao intsony


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Efa manomboka resin’ny faritra Analanjirofo ny valanaretina pesta niseho tany aminy tato ho ato. Araka ny fanazavana sy ny tarehimarika voaray dia tsy nahitana tranga na olona voan’ny pesta sy narary intsony tany amin’izy ireo efa tapa-bolana izao.

  Raha ireo 25 narary notsaboina tao Fenoarivo Atsinanana teo aloha teo dia efa sitrana sy afaka namonjy ny tranony avokoa izy rehetra. Ireo tranga roa ny 16 oktobra sy ny tranga iray tao Soanierana Ivongo ny 17 oktobra dia efa samy nahazo ny fitsaboana azy avokoa ka sitrana soa aman-tsara ankehitriny. Ilay maty tao Vavatenina ny 16 oktobra teo kosa dia tsy narary tany an-toerana fa narary notsaboina tao Toamasina nitsoaka ny hopitaly nitsaboana azy ka maty tany Vavatenina. Distrika roa kosa tany an-toerana no tsy nahitana tranga na pesta hatreto dia ny any Maroantsetra sy ny any Sainte-Marie. Nefa tao anatin’izay rehetra izay, nentina nisorohana ny tsy fiparitahan’ny aretina dia olona miisa 1.460 nifanosinkosina tamin’ireo narary no nomena ny fitsaboana sahaza azy ireo avy ka tsy nisy ny narary. Manao antso avo hatrany Atoa Ramaroson Jacques lehiben’ny faritra fa mitohy ny ezaka hiarovana ny vahoakan’Analanjirofo amin’ny pesta, dia ny fanadiovana tanàna sy fanondrahana fanafody ary ny fanamafisana ny barazy ara-pahasalamana amin’ny lalam-pirenena fahadimy.

 


Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT