Ambara fa tapitra ny fisian’ny valanaretina « peste pulmonaire urbaine » na ny pesta aretin-tratra eto Madagasikara raha tany amin’ny volana aogositra 2017 no nisehoany voalohany, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly.
Ny 03 novambra 2017 no nisian’ny tranga voamarina farany. Tsy maintsy mailo hatrany anefa isika satria mbola amin’ny aprily 2018 vao hifarana ny vanim-potoana fipariahany. Vao 5 herinandro taorian’ny nisian’ny valanaretina dia nihena be ny trangan’ny olona mararin’ny pesta. Maneho izany fa nahomby ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka niadiana tamin’io aretina io, hoy ny mpitondra. Amin’izao fotoana izao dia mbola misy tsikelikely ihany ny fisian’ny tranga ahiahiana any amin’ireo toerana nisehoany eto Madagasikara. Mitohy ny fanaraha-maso sy fitsaboana ireo marary ahiahiana ho voa na dia ny 3 novambra aza ny tranga farany voamarina. Ny governemanta Malagasy no nitarika sy nandrindra ny ady natao, niaraka tamin’ny fanohanan’ny Institut Pasteur Madagascar, ny Organisation Mondiale de la Santé (OMS) ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Niray hina ny Malagasy nanoloana izao olana tranga mampalahelo momba ny fahasalamana izao, anisany ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana, ireo fianakaviana sy mpitarika samihafa eny amin’ny fiarahamonina, ny fiarahamonim- pirenena, ireo orinasa maro teto an-toerana ary ireo malalatanana avy any ivelany, izay samy nanampy avokoa. Vokatry ny ezaka natao hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina amin’ireo firenena hafa, dia tsy nahitana tranga mifandray amin’ny pesta niseho ivelan’i Madagasikara. Amin’izao fotoana dia miara-miasa ny governemanta, ny OMS ary ireo mpiara-miombon’antoka mba hitazonana ireo ezaka vita ho fisorohana ny mety hampirongatra indray ny aretina ary mamolavola paikady maharitra hisorohana sy hifehezana ny pesta eto Madagasikara. Volabe no azo tamin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’ny fisian’ny pesta, saingy tsy nisy mangarahara, izany hoe tena ampiasaina sy nampiasaina tamin’ny tokony ho izy ve sa efa tratry ny kopaka isasahana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.