Fahasalamana

Paramed nitokona teny Ambohidahy “Manasa tànana fa tsy tompon’andraikitra izahay”


  • Alarobia 10 Febroary 2021

Teny am-baravaran’ny Minisitry ny fahasalamana tetsy amin’ny Foiben-toerana

 

 

misy io Minisitera io tetsy Ambohidahy indray no nanohy ny “sit-in” ny sendikan’ny mpitsabo mpanampy taorian’ny fanakanana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ny alatsinainy teo. Teo hatrany ny mpitandro filaminana. Nampiantso azy ireo ny Minisitra, saingy tsy nahafa-po ny fifampiresahana. Akoho mikoraikaraika, fa tsy nanatody, ka ny hoe "andao hodinihina" iny ihany; fifampiresahana, hono, no anaran'ilay fihaonana kanefa ny fotoana andraisana fitenenana aza 95% ny azy fa 5% ny antsika, tsy haiko hoe vahaolana ve ny hoe hodinihana ? Raha misy marary mitady fanasitranana ve dia mahasitrana azy ny hoe hodinihina ny aretinao? hoy ny Filohan’ny sendikan’ny Mpitsabo mpanampy Paramedy Ralibera. Nambarany, fa afaka miditra sendika ny mpiasa rehetra, kanefa ny sekretera Jeneralin’ny Ministera mihitsy no nambarany fa manangona ny anaran’izay mitokona fa hotapahana ny karamany. Araka ny andininy faha-229 ao amin'ny lalàna 2003-044 dia mihatona ny fifanarahana arak'asa ka tsy misy mpiasa azo saziana na roahana na tapahana karama noho ny fandraisany anjara tamin'ny fitokonana fitakian-jo, hoy ny fanazavana. Tsy vaky izany ihany koa ny sendika, misy ny olom-bitsy milaza azy ho zavatra manendry tena ho sojabe. Tsy eto Antananarivo ihany ny fitokonana, fa iraisan’ny Paramed manerana ny Nosy, raha ny fanazavana. Milaza ho manasa tànana ihany koa izy ireo, ary efa ao anatin’ny grevy tanteraka taorian’ny fanakanana ny fandaminana ny fiandrasan-draharaha na “service minimum” ny alatsinainy teo, ka izay nanome baiko tamin’ny fanakanana izany no tompon’andraikitra, ary tsy mandray baiko afa-tsy avy amin’ny Birao Nasionaly intsony, hoy i Paramedy Ralibera.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT