Fahasalamana

“Paramed” eny amin’ny tsy miankina Raisina ho mpiasam-panjakana ireo mendrika


  • Alakamisy 23 Novambra 2017

Tsy mandray olona tsy “qualifié” ny eo amin’ny sehatry ny fahasalamana isika, hoy ny minisitry ny fahasamam-bahoaka Malagasy, Lalatiana Andriamanarivo, teny Tsimbazaza omaly alarobia 22 novambra raha niatrika an’ireo depiote nitondra fanazavana mikasika ny valan’aretina pesta izy.

 

 Hisy araka izany, hoy izy, ny  fanadinana fifaninanana ho an’ireo Paramed tsy miankina ho  raisina ho mpiasam-panjakana amin’ny volana janoary 2018 mba hahatonga an’ireo toerana lavitra be eto Madagasikara hanana ny zanany hiasa ao aminy eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ka tsy hisy intsony ny “intervention d’affectation” lava izao tonga any aminay. Raha ny mikasika ny fihanaky ny valan’aretina pesta manokana dia nambaran’Atoa ministra fa efa voafehiy tanteraka izy io noho ny “dispositif” efa tafapetraka amin’ny toerana ary ny fe-petra  efa noraisina niaraka tamin’ny olon-drehetra teny ifotony. Efa tsisy intsony ankehitriny ny olona ahiahiana ho voan’ny pesta ary farany teo dia olona iray sisa no maty tany Anjozorobe. Mitohy ny ady amin’ny voalavo fototry ny pesta, hoy izy. Tsy maintsy hisy hetsika fanadiovana faobe indrindra ny fanadiovana teo-tsaina, hoy ihany ny  ministra Lalatiana. Marihana fa niendrika “face à face” teo amin’ireo depiote sy ity ministra ity no nitranga omaly na dia anio alakamisy 23 sy rahampitso 24 novambra aza vao tena hakotroka ny fifanatrehana mivantana eo amin’ny mpanatanteraka sy ireto mpanao lalàna eny Tsimbazaza ireto.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT