Manana ny anjara toerany eo amin’ny fikarakarana ny fahasalamam-bahoaka ny paramed ahitana ny mpampivelona sy ny infirmiera.
Ny mampalahelo anefa eto amintsika raha araka ny fanadihadiana natao dia mbola tsy mipetraka tsara amin’ny toerany izy ireny. Mbola hahiliky ny marary ihany koa indraindray nefa ny 43%-n’ny mpitsabo eto Madagasikara dia Paramed avokoa. Ny manoratra ny ordonnance fotsiny mantsy no andraikitry ny dokotera fa ny fanatanterahana ireo karazana asa maro isan-tsokajiny toy ny fikarakarana ny marary…. dia ny paramed avokoa no manatontosa azy, indrindra fa ireo miditra hopitaly. Eo an-danin’izay dia mbola paramed avokoa no mitantana ny 80%-n’ireo CSB II eto amintsika indrindra fa ny any amin’ny toerana lavitra andriana. Rehefa manao hetsika fitakiana anefa izy ireny dia toy ny voahosom-potaka sy haratsiana hatrany, indrindra raha mitaky ny hampiharana ny lalana hahafahana manatsara ny fari-piainan’izy ireny. Marihina moa fa miisa 8.000 ireo Paramed mpiasam-panjakana eto amintsika. Miisa 10.000 kosa ireo hampiasain’ny fanjakana nefa tsy mbola nahazo toerana raha miisa 10.000 ireo mandehandeha tsy miasa eny rehetra eny.
Pati
(Tahirin-tsary)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.