Fahasalamana

Paosin-dra eny amin’ny hopitaly 100 ka hatramin’ny 150 isan’andro no ilaina eto an-drenivohitra


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Manodidina ny 100 ka hatramin’ny 150 paosy isan’andro ankehitriny ny filana ra eto an-drenivohitra, raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny Centre national de transfusion sanguine na ny CNTS etsy amin’ny HJRA Ampefiloha. Ireo vehivavy saro-piterahana na manana olana manokana no tena mandany izany amin’ny ankapobeny ankoatra ireo marary mafy mila fandidiana maika.

 

 Tsy handoavam-bola io io araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, indrindra fa ho an’ireo marary mitsabo tena eny anivon’ny hopitalim-panjakana. Raha paosin-dra iray no ilain’ilay marary dia tsy maintsy mitondra olona roa hafa izy hanoloana azy. Antony hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny CNTS dia mety tsy hifanaraka amin’ilay sokajin-drà ilaina ny ràn’ilay olona iray na koa tsy mety mihitsy ka izay no mahatonga ilay olona roa. Ho an’ireo marary mitsabo tena eny anivon’ny hôpitaly tsy miankina kosa dia tsy ny rà akory no vidian’izy ireny ka ireo karazana kojakoja miaraka aminy izay handoavana 85.000 Ar isaky ny paosin-drà. Nomarihin’izy ireo moa fa olona mihoatra ny 18 taona, milanja 50 kg no mihoatra, salama tsara, tsy misotro toaka, tsy mitoe-jaza, tsy tonga fadim-bolana no afaka manome ra.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT