Fahasalamana

Paosin-dra eny amin’ny HJRA Tsy maharaka ny filàn’ny marary sy ireo tra-doza intsony


  • Talata 05 Martsa 2019

Tsy maharaka ny filàn’ireo marary sy ireo mila fandidiana maika intsony ny tahirin-drà etsy amin’ny « Centre national de transfusion sanguine » etsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha amin’izao raha ny fantatra.

 

 

 

 Noho ny fihenan’ireo mpanome rà maimaim-poana no antony mahatonga izany, nefa ny filàna tsy mitsaha-miakatra isan’andro. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mahatratra 35.000 isan-taona ny paosin-drà ilaintsika manerana ny Nosy ka ny 20.000 paosy amin’ireo dia lany eto Antananarivo avokoa. Hamonjena ireo vehivavy saro-piterahana ka very rà  be loatra, ireo  ankizy lasibatry ny aretina homamiadana ary koa ireo tratry ny lozam-pifamoivoizana no tena handaniana izany 20.000 paosy izany raha manodidina ny 120 paosy isan’andro kosa ny filàna raha kely. Miantso ireo tsara sitra-po rehetra vonona hanome rà hanavotana ny ain’ny mpiara-belona araka izany ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CNTS mba ho avy hanatona azy ireo. Olona ampy taona izany hoe : 18 ka hatramin’ny 60 taona no ilaina amin’izany, ampy torimaso tsara, milanja 50 kg raha kely indrindra tsy misy aretina mitaiza ary avy nisakafo ara-dalàna. Tsy afaka manome  rà kosa ny vehivavy tonga fadim-bolana na mampinono.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT