Otrikaretina Vih

Sida Eto afovoan-tany no tena betsaka voa indrindra


  • Alarobia 27 Martsa 2019

0,3 % ny tahan’ireo olona mitondra ny otrikaretina Vih/sida eto amintsika raha ny nambaran’ny komitim-pirenena miady amin’ny aretina SIDA omaly na ny SE/CNLS.

 

 

 

 Eto afovoan-tany no tena betsaka olona mitondra ny aretina, hoy Andrianiaina Harivelo,  tompon’andraikitra eo anivon’ny SE/CNLS ankoatra ny any amin’ny faritra be mpizahatany vahiny sy ireo toerana misy famoronana’asa. Miaina anaty tebiteby ny ankamaroan’ny olona, indrindra ireo manana vady na olon-tiana tia mandehandeha.  Raha ny fantatra dia mbola mijanona ho 2,6 % ihany  koa ny tahan’ny fampiasana fy mailo eto amintsika, fanadihadiana natao tamin’ny 2012 noho izy ireny voalaza fa  manelingelina ny mpifankatia mandritra ny fotoana hanaovana firaisana ara-nofo. Mikaon-doha mitady paikady hanatsarana ny ady hatao amin’ny aretina SIDA etsy Anosy avokoa ireo mpiara-miombon’antoka rehetra nanomboka omaly arahin’ny fanaovana jery todika ny asa vita. Tsiahivina fa 0,8 % ny tahan’ireo olona mitondra ity otrikaretina ity maneran-tany raha tafakatra 1,9 % kosa izany aty Afrika ahitana an’i Kénya,  Afrika atsimo….loza mananontanona antsika eto Madagasikara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT