Homarihina ny 02 aprily ho avy izao indray ny andro maneran-tany ho an’ny fampahafantarana ny ôtisma na ilay karazana toe-batana iray mpahazo ny ankizy maro eto amintsika.
Ho an’ny eto Antananarivo dia efa mahatratra 150 izy ireo no ahiana ho ôtista ka ny 50 no efa nisitraka ny fitiliana, 25 tao Moramanga raha 30 tany Antsirabe. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona 2018 ity. Raha teto Antananarivo hatrany mantsy no nanaovana ny fanamarihana hatramin’izay dia hiitatra amina faritra dimy izany. Anisan’ireny ny ao Toamasina izay hotanterahina amin’io datin’ny 02 Aprily io. Hitohy ao Moramanga izany ny 05 Aprily, ao Antsirabe ny 09 aprily, ao Mahajanga ny 14 aprily raha eto Antananarivo no hamaranana azy ny 20 aprily. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ny rehetra ity toe-batana ôtisma ity mba tsy hanilikilihan’ny fiarahamonina ireny karazan’olona ireny. Tafiditra ao anatin’ilay lohahevitra hoe “fantaro ny ôtisma, mipetraha eo amin’ny toerany”, izay hifanojo amin’ilay hetsika momba ny sinema « Rencontre du film court » andiany faha-13 hotontosaina eto an-drenivohitra ihany koa. Tsiahivina moa fa ny olon-drehetra mihitsy no entanin’ny fikambanana Autisme Madagascar mba hifanome tanana amin’izy ireo. Tsy manana fidiram-bola mantsy ny fikambanana no sady tsy mitady vola ihany koa fa ireo karazana fanomezana avy amin’ireo tsara sitrapo sy malalatanana no entiny mampihodina ny fikambanana. Anisan’ny manohana akaiky izao hetsika hotanterahin’izy ireo izao ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, ny vondrona STAR ary ny ORTANA.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.