Fahasalamana

Orinasa Pharmalagasy Mpandraharaha avy eto avokoa no miasa ao


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Orinasa Malagasy hamokatra ny fanafody eto Madagasikara ny Pharmalagasy ary mpandraharaha Malagasy avokoa no miasa ao.

 

 

 

 

Efa miasa ireo milina ao amin’ny orinasa ary hamokatra ny gellule CVO plus entina miady amin’ny aretina Coronavirus no tanjona. Nitsidika ny toerana nananganana ny Indostria tetsy Tanjombato ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny omaly. Rehefa izay dia fantatra fa gellules miisa 15000 isa-minitra no afaka hovokarina ao ary afaka 1 volana dia ho vita tanteraka ny andrana sy fitiliana mahakasika izany ary hisitraka izany ny vahoaka rehetra. Nanambara ny filoha fa famerenana ny hasin’ny famokarana fanafody indray eto Madagasikara izao ary anisan’ny sangany ny Malagasy raha eto Afrika araka hoy izy. Teknolojia raitra indrindra maneran-tany hoy izy no hampiasaina ary tombony ny fananana ireo mpandraharaha avy eto an-toerana. Andrasana ny ho akon’izany amin’ny vahoaka indrindra ireo marefo sy mahantra maro an’isa satria efa mandeha ny fanandramana izany amin’ny biby ary rehefa mety ny tantana dia alefa ny aandrana amin’ny olombelona.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT