Fahasalamana

Orinasa OFAFA Haverina hamokatra fanafody indray


  • Zoma 22 Mey 2020

Naverina amin’ny fanjakana ny tany sy ny toeram-piasan’ny OFAFA etsy amin’ny Zone Industrielle Forello Tanjombato,

 

 

 araka ny tapaka tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 20 mey teo. Hiverina hisokatra indray ny OFAFA rehefa nampanofaina tamin’ny orinasa NIPHAR ny taona 2007, ary ity farany indray nampanofa azy tamin’ny orinasa afaka haba mpamokatra akanjo « Madagascar King Deer Cashemere Co Ltd » ny taona 2017. Rehefa natao ny fidinana ifotony sy fifampiresahana dia tapaka fa haverin’izy ireo amin’ny Fanjakana ny toerana rehetra fa hisy kosa ny 700m² avela hiasan’ilay orinasa ho tambin’ny fampiasam-bola nataon’izy ireo sy ho fitanana ny asa ho an’ireo mpiasa ao amin’io orinasa afakaba io. Vitaina mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ny fanokafana sy fampiodinana indray ity orinasa Malagasy mpamokatra fanafody ity, ho isan’ireo orinasa lehibe afaka mamokatra fanafody eto amintsika, hoy ny fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT